4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1. iriko indrindra - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?;



… na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. »

(Romana 8: 35 ; 39)



« Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. »

(Salamo 71:5)



--------------------------------------------------------------------



1. Tompo ô, tsaroako anio

Ireny lasako, sy ny ditrako

Nahavaky fo Anao

Rehefa nifonako

Dia nodiovinao toy ny tsy nisy ireo



2. Tompo, resy lahatra aho

Ny Fitiavanao no antoka iainako

Nomenao ahy ny lanitra

Ka navelanao mbola hiaraka handova Aminao



IRIKO INDRINDRA TSY HISARAKA AMINAO

NY FITIAVANAO, TSY HIALA AMIKO

HO AHY MANDRAKIZAY

MBA HO AMINAO NO AMETRAHAKO NY FO

HO FANANTENAKO

SY HO TOKIKO HIANAO JESOA



3. Ireo ratsy marobe

Mbola hamotraka ahy hiala Aminao

Mety ho solafaka

Tsy hahatsiaro Anao

Ho variana indray amin’izao rendrarendra izao



Iriko indrindra tsy hisaraka Aminao

Ny fitiavanao, tsy hiala amiko

Ho ahy mandrakizay

Mba ho aminao no ametrahako ny fo

Ho fanantenako

Sy ho tokiko Hianao Jesoa





Tonony sy feony : RAKOTONANAHARY Haritiana

2003

Partager vol1. iriko indrindra

Commenter vol1. iriko indrindra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite